Version française ici. English version here.

Indro i Dago mitsirara manamorona ny Lakandrano sady mandinika ny rano mihamena,menan’ny rany. Koa satria tsy maintsy azavaina hatramin’ny voalohany ny resaka atao dia andao ilaozana aloha ity sehatra ity ary andeha hiverina any amin’ny fiandohan’ny tantara.

Fahazazana nampalahelo

Zazavavikely nampalahelo i Dago . Nisaraka fony kely tamin’ny reniny Gondwana izy ka dia voatery nianatra irery ny hahaleo tena. Niarahana niaiky ny fananany herijika : hatsaran-tarehy tsy misy kianina, fo feno fitiavana ary fahavononana hiatrika ny ho avy. Indray andro anefa dia tonga ireo vazaha. Ireo dia vehivavy tsy ampiampy zaza izay nitady afrikanina kely hotaizana. Ny mampalahelo dia izao, raha mba mety ihany indraindray ireny fananganana anaka ireny, ny an’i Dago kosa dia tsy mba toy izany.

Indro izany i Dago kely mampalahelo fa lasa zanakavavin’i Ramatoa Marianne saingy raha ny tena marina dia lasa andevokeliny. Ny faratampon’ny haratsian-toetra dia izao : nohararaotiny izy, nampijaliany ary nokapohiny mazàna kanefa dia notereny hatrany hatrany hiantso azy hoe « Reny malala ».

Nijaly i Dago fa tao anatiny kosa dia teo hatrany ny herim-po, ny fiadanana izay niseho tety amin’ny endriny amin’izato tsikitsiky lalandava. Mpitaky ny zony koa izy, ary taorian’ny iray tamin(ireo fiokona efa fanaony no nahazoany ny fahaleovantenany. Satria tokoa, io fahaleovantena io dia i Dame Marianne no nanome azy. Ito farany, rehefa tonga saina fa efa olon-dehibe sy efa vory saina i Dago dia matin-kenamaso ka tsy te ho hitan’ny olona intsony ho toy ny renikely lozabe sy tsy refesi-mandidy. Na izany aza dia tsy namelany hatrany ireo tombotsoa mety ho azony avy amin’ity zaza. Noho izany no nanambatambazany azy amin’ny vola kely, akanjo efa nanaovana ary fitsangatsanganana indraindray ho takalon’ny fanompoany azy ihany.

Indray mandeha, na im-betsaka aza ny tena marina dia nisy nikasakasa hampakatra an’i Dago. Hafaliana anie ny an’ity zazavavay izay nihevitra ny tenany ho toy ireny zanaky ny mpanjaka amin’ny angano itony izay havotan’ireo andriandahy amin’ny vahohon’ny renikeliny. Indrisy mantsy, tsy nanana toetran’andriandahy ireto lehilahy ireto fa nanararaotra fotsiny naka izay soa kely nananany dia namela azy tao amin’ny fahatrany sy ny fahoriany.

Ankehitriny

Andeha hiverenana ilay tantara tery ambony. Indro ary tovovavy, tsara tarehy saingy maloto sy rovi-damba no mitsilany sy mivoa-drà. Mandeha rà i Dago ka mahamenamena ny Lakandrano. Mitangorona ny olona saingy mitazan-davitra avy ery ampitan’ny Lakandrano na lavitra kokoa noho izany aza.

Ireo mpitsabo, miaro tena hatrany an-tampon-doha hatrany am-paladia, izay mijery sy mizaha azy dia hentitra tsara. Hoy ny iray : »tazo mahery io ». Hoy ilay iray namaly : « ekena fa marina izany…raha ny hilaza nefa hoe Ebola, Chikungunya, Marbourg na koa zavatra hafa tsy fantatro mihitsy…toy ny hoe efa voaozona mihitsy anie ny ala manodidina eto e ». « Vonjeo re izy fa mijaly e! » hoy ny hiakiakan’ny ramatoa mpifanolo-bodirindrina iray izay sady malahelo no matahotra… »Sao dia mamindra io? »

Mahagaga fa nanomboka nampianatra momba ny fitsaboana teo ilay mpitsabo ary nilaza fa io karazana aretina io dia tonga vetivety ka tsy misy manam-po akory. Vetivety foana dia voakiky avy ao anaty ao ny vatana. Mihintsana ny volo ka zary loha sola sisa no tavela. Mikarainkona ny hoditra. Miha-simba ny taova ka tsy manao tsara ny asany intsony. Avy eo ny tena mahafaty dia fitsonihana, lasa daholo ny rà, ny hery, ny atidoha.

– « vonjeo re izy fa mijaly e! »

–  » Tsy mijaly intsony izy ka. » hoy ilay mpitsabo

– « Sanatria ve…??? »

– « Tsia, aza matahotra ianareo ».

Notohizany ny fampianarany. Hitanareo? io aretina io dia tsisy mahafantatra ny momba azy. Ny tena marina dia i Dame Marianne irery no mahalala. « Tsia, aza ilazàna i Reny Malala, tsy mba nanampy ahy izy fa namela ahy ho faty toy izao. » hoy ny bitsibitsik’i Dago. Nefa bitsika tokoa ve sa eritreritra fotsiny?

Dia nanohy ilay mpitsabo : « Fa tsy misy ilàna ny fahafantarana izany intsony. Mahery vaika tokoa io saingy afaka fotoana vitsy dia sitrana ho azy raha sendra ka tsy maty ilay marary. »

Nihestika ny mason’i Dago, tsy nivandravandra nibanjina ny foana intsony fa manjary lasa liana miandry ny tohin’ny tenin’ilay mpitsabo. « Nijaly tokoa i Dago, tsy ampy rano, tsy ampy rà ary reraka tanteraka saingy soa ihany fa tàna ny ainy. » « Marina tokoa fa mahery izy » hoy ny mpitazana iray. Mahery izy ary indrindra faly lalandava.

Voasarik’izany vaovao mahafaly izany i Dago ka te hihetsiketsika sahady. Mbola tsy vitany izany izao nefa hita fa efa kely sisa, tsy ho ela intsony. Mitovy amin’ny ilay vao avy tao amin’ny dokotera iny satria voan’ny sery ka mahatsiaro ho sitrana sahady na dia mbola tsy nahazo fanafody aza. Izany no atao hoe fanantenana, izany no atao hoe finiavana, izany no atao hoe fiadiana main’ny fiainana.

Mitsangàna ary dia mandrosoa. « Soa ny lavo hahay hamindra »

Fa ny tantaranao ry Dago, Madagasika, ilay nosiko dia tsy maba tsara fiafaràna. Ny tiako holazaina dia hoe enga anie haharitra mandrakizay ianao. Fa azonao ve? Ny ranao dia ny vahoaka. Ny herinao dia ny tanoranao. Ny atidohanao dia ireo manam-pahaizana. Ny hatsaran-tarehinao dia ny zava-boahary ary dia manan-karena ianao; raha mba fantatrao mantsy fa mpanan-karena ianao!

Commentaires